Fifidianana ben’ny Tanàna : mbola vitsy na mitombo isa aza ny vehivavy kandidà

6% amin’ireo kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ihany no vehivavy. Efa mba nitombo izany raha oharina tamin’ny fifidianana farany teo, saingy mbola vitsy.

«Mahatratra 5 389 ny isan’ny kandidà, 327 na 6% ny vehivavy. Midika izany fa mbola vitsy ireo vehivavy kandidà amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao. Misy fiakarany izany raha mitaha amin’ny fifidianana efa-taona lasa, 2019, izay 5% ny vehivavy kandidà ben’ny Tanàna». Io ny nambaran’ny filohan’ny Filankevi-pirenena momba ny vehivavy eto Madagasikara na ny Conseil National des Fem­mes de Madagascar (CNFM), Andriamasy Marie Estelle, ny amin’ny fanofanana ireo vehivavy kandidà ben’ny Tanàna miisa 60 amin’ny fiatrehana fifidianana amin’ny 11 desambra ho avy izao. Naharitra roa andro ny fiofanana natao teny amin’ny By Pass, izay nifarana omaly. Nomena azy ireo tamin’izany izay hahazoana miatrika amin’ny fomba ara-dalàna sy hahitam-pahombiazana ny fifidianana, araka ny fanazavany. Nomena azy ireo koa ny lalàna momba ny fifidianana avy amin’ny Ceni. Eo koa ny amin’ny andraikitry ny ben’ny Tanàna, ny fifandraisan’ny ben’ny Tanàna amin’ny rafi-panjakana na andrimpanjakana hafa, ny famolavolana ny tetibolan’ny kaominina, ny amin’ny fitarihana na haitondra, ny serasera hiatrehana ny fampielezan-kevitra…
Manana ny fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy. Na izany aza, mbola marefo ny fahasahian’ny vehivavy malagasy misehatra amin’ny fandraisana andraikitra politika sy ny fitantanana firenena amin’ny alalan’ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: