Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy tao Morombe, omaly, ny lehilahy iray nisandoka fa mpivavaka ao amin’ny fiangonana Rhema Itaosy saingy tonga tany Morombe izy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, niangavy ny Pastoran’ny Fiangonana Rhema tao an-toerana izy fa tsy manana toerana hivantanana. Nilaza izy fa manana raharaham-pitsarana any Morombe ka izay rahateo no tena anton-diany. Amin’ny maha mpiara-mivavaka, tsy nisalasala ilay pasiteran’ity fiangonana ity nandray azy. Nandritra ny fivahinianany tao anefa, nilaza fa manam-bola any amin’ny banky izy kanefa mbola tsy nivoaka io vola io raha tsy misy avance 2 tapitrisa Ar. Nitady io vola io tany amin’ilay pasitera izy. Somary nampiahiahy ity mpitondra fivavahana ity ny fihetsik’ity lehilahy milaza ho mpiara-mivavaka amin’izy ireo ity ka nampandre haingana ny mpitandro filaminana izy. Tonga haingana tao an-tranon’izy ireo ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa efa nisoloky vola 400 tapitrisa Ar tamin’ny fiangonana Rhema Itaosy izy. Efa nisy taratasy famoahana filazana didy fikarohana rahateo momba azy.
CMS