Naman’ireo fito maty voatifitra : naiditra am-ponja ireo telo lahy azo sambo-belona

Naiditra am-ponja ao amin’ ny fonjaben’Ambalata­voa­hangy ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’
ny fanafihana narahina halatra tao amin’ny distrikan’i Toa­ma­sina II, ny alatsinainy lasa teo. Naman’ireo jiolahy fito maty voa­tifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao an-toerana izy telo lahy ireto saingy tafaporitsaka. Nanao hazalambo azy ireo ny zandary ka niafara tamin’izao fahatrarana azy ireo izao. Nanao tatitra izany tamin’ ny alalan’ny fihaonana tamin’
ny mpanao gazety ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Atsinana­na, omaly, ny lietnà-Kly Randrianirainy Pacome, izay nilaza fa mafimafy ny fifanjevoana tamin’ireo jiolahy satria alina rahateo ny andro. Noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona sy ny zandary anefa, nahitam-bokany izany. Noma­rihin’ity manamboninahitra ity fa 10 lahy ry za­lahy no tonga nanafika ka ni­tondra basy vita tanana niaraka tamin’ny famaky ary antsibe. Vola mitontaly 1 200 000Ar no lasan’ireo mpa­nafika. Tafa­verin’ny zandary kosa ny vola 257 500Ar. Lavanila milanja 2 kg efa voakarakara niaraka ta­mina entam-barotra hafa ihany koa no voaroba tamin’io fotoana io. Araka ny baiko no­men’ ny Tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toama­si­­na, i Vahiny Yvi Sandro, fa tsy maintsy atao hazalambo ha­tramin’ny farany ireo jiolahy na­nafika tao Ampitarafana, kaominina Ambodilazana. To­hivakana ny nahatrarana azy telo lahy ireto tao Toamasina.

Sajo/J.C

Partager sur: