FANTINA sy FINTINA

Volavolan-dalàna maro no nolaniana teny anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny fivorian’ireo mpikambana. Anisan’izany ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024, tamin’ny 07 febroary 2024, sy ny volavolan-dalàna laharana faha-013/ 2024, tamin’ny 13 jona 2024. Ireo volavolan-dalàna ireo izay mifantoka kokoa amin’ny angovo azo havaozina sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy.
Tsiahivina fa ny 19 novambra 2024 hatramin’n y 9 desambra 2024 no vanim-potoana ahafahana manao fampielazan-kevitra ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Efa ao anatin’ny «Pré-campagne» kosa isika amin’izao, araka ny nambaran’ny Ceni, ary efa maro ireo kandidà manao izany, indrindra ho an’ireo eny amin’ny renivohi-paritany.
Natao sonia, omaly, teny amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny fifanarahana fiaraha-miasa akademika sy ny fifanakalozana fahaizana eo amin’i Madagasikara sy i Chine, amin’ny alalan’ny fametrahana sehatra ahafahana mifampizara fahaiza-manao sy manao fikarohana iombonana. Hitondra fanatsarana amin’ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao fifanarahana izao.
Nosaloran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, samboady, omaly, teny amin’ ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo solombavambahoaka mi­solo toerana ireo voatendry ho minisitra. Anisan’ izany i Freydier Michael, misolo an-dRazafinjato Aurélie Marie Augustine; Razafindrakoto Victor, misolo an’i Sahondrarimalala Marie Michelle ary i Malainkoratsy Jocelyn, misolo an’i Mara Volamiranty Donna.

Partager sur: