Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy nilanja kisoa tamin’ny gony tao Antady, fokontany Tsenamasoandro, kaominina Imerintsiatosika, omaly. Vao maraina, nilanja zavatra tamin’ny gony ireo olona roa lahy ireo. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona ny olona nahita azy. Namikiviky niova lalana, noho izany, ireo mpangalatra. Nenjehin’ny olona tsara sitrapo, tratra izy roa izay nitondra ny gony. Nosavaina ny entana nentiny kinanjo kisoa efa voarasarasa io nentin’izy ireo io. Nesoriny ny lohany, ary natao toy ireny kisoa entina hamidy eny an-tsena ireny ny biby nangalariny. Tsy nanaiky ny fokonolona ka noterena nilaza ny toerana nangalariny io kisoa lehibe io ireo mpangalatra. Niaiky heloka ireto farany. Nangalariny tany Arivonimamo io biby io, ny alin’ny alakamisy hifohy omaly zoma. Nariany tany an-dalana ny lohany. Nokasain’izy mirahalahy hamidy tao Imerintsiatosika io entana halatra io. Natolotra ny zandarimaria ireo nahavanon-doza taorian’izay.
Tsiferana R.