ONUDC : nanolotra solosaina ho an’ny Polisy

Nisitrika solosaina hampiasain’ny polisy amin’ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza ny sampandraharaha ao amin’ny Firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fandikan-dalàna ONUDC, tetsy Anosy, afakomaly. Ny minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka, izay nanao ho laharam-pahamehana amin’io ady io. Nanamafy izany rahateo ny Contrôleur géneral de Police Rakotoarimanana Herilala. Hanampy ny polisim-pirenena ireo fitaovana ireo ahafahan’izy ireo miroso amin’ny sehatra matihanina kokoa, fa indrindra amin’ny fikarohana ny mpandika lalàna. Ankoatra ity fampitaovana ity, efa nisitraka izany koa ny tao amin’ny Cybercriminalité.
Nanolotra ireo fitaovana ireo ho an’ny polisim-pirenana malagasy ny solontenan’ny ONUDC aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika, i Ashita Mittal.

Tsiferana R.

Partager sur: