Nifanenjehan’ny Service Anti-Gang eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny Namontana, ny sabotsy 26 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Tsikaritry ny mponina eny an-toerana fa nitondra antsy lavalela izy tamin’io fotoana io. Ity farany izay efa nametrapetraka ny lamina hanatanterahany ny asa ratsiny. Nidina ifotony ny polisy. Namolavola paikady manokana hisamborana io jiolahy io. Nahatazana ny polisy hisambotra azy, namoaka ny antsy teny aminy ity jiolahy ity. Nikasa hanohitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy izy sady nandositra. Nampitandrina ity farany mba hijanona sy hanaraka ny baiko nomena azy ny Sag saingy nanda izany izy. Vokany, maty voatifitra ity mpangalatra sady mpanendaka eny amin’ny manodidina an’i Namontana ity. Raha tsiahivina, jiolahy iray hafa koa lavon’ny bala teny Antohomadinika, ny alin’ny alakamisy teo. Nahatraran’ny polisy sabatra teny aminy. Mitohy ny famongorana ataon’ny mpitandro filaminana ireo tsy valahara, tsy mampandry fahalemana, ny vahoaka eny anivon’ireo toerana voasokajy ho faritra mena.
JC.