Dahalo roa lavon’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Berorefo, kaominina Andilamena, ny alin’ny alahady 27 oktobra lasa teo. Naharay fampitam-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa noroasin’ny dahalo ny omby ka mandalo ny tanàna ao Ambodifamelona izy ireo. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy avy hatrany ny zandary. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basim-borona anefa ireo mpangalatra omby. Vaky nitifitra rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Namaly izany ny ankilany. Vokany, lavo ny roa tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka ny telo lahy namany. Tavela ny omby. Nohamarinin’ny manam-pahefana, omby nangalarin’ireo dahalo tany amin’ny faritra Bevoay, kaominina Maroadabo, ireo omby ireo. Nogiazana ny fitaovam-piadiana latsaka teny amin’ireo roa lahy. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireto farany.
Tsiferana R.