Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), omaly tamin’ny 6 ora maraina. Taksiborosy iray avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina no nifandona tamina fiara 4×4 iray. Tao amin’ny fokontany Ankatrokatroka Andrika, PK 88+60, no nitrangana ny loza. Vokany, olona iray maty raha iray hafa kosa naratra mafy, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimaria. Voalazan’ny fampitam-baovao fa nisongona fiara iray teo alohany ilay taksiborosy kanjo nifanena tampoka tamin’ilay fiara 4×4 ka tsy afa-niala intsony ny mpamily. Nivadika mihitsy ilay taksiborosy satria niezaka niala ihany. Potika ihany koa ilay fiara 4×4. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C