Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Gravy ny mahazo antsika ankehitriny”

Hentitra tamin’ny toriteny nataony ny kardinaly Tsara­hazana Désiré nandritra ny fitarihany ny sorona masina, teny amin’ny Ekar Fo masin’ i Jesoa, Tanambao V, ny alahady lasa teo. Nandritra ny fotoam-panokafana ny taom-pikatrohan’ny fikambanana Skotisma anivon’ny finoana katolika sy ny Antilin’ i Mada­gasikara (AIM) ary Fanilon’ i Madagasikara ( FIM) izany. Ireto farany izay natambatra amin’ny teny iray hoe Antily Fanilon’i Madagasikara (Afim) ireto farany. Nanotrona azy ny ray am-panahin’ny Antily sy Fanilo anivon’ny diosezin’ i Toamasina, ny pretra Tsia­hoagna Stephan.
“Gravy raha mahazo antsika eto Madagasikara ity”, hoy izy. Tonga hatrany am-panaovana fanadinana ny kolikoly. Efa misy tomponandraikitra amina fanadinana iray nijoroana masera iray vavolombelona taminy. Tsy nanaiky ny handrotsaka vola alain’ ilay tomponandraikitra ilay masera, ary nahazo fandrahonana fa tsy hahazo manao na mety havoaka tsy handray anjara amin’ny fanadinana. Vokany, mpiadina iray efa tao an-dakilasy no nanome ny anjara rakitra ho an’ny masera. Loza mitatao ho an’ny fanabeazana sy fanadinam-panjakana izany, ary indrindra ho lasa lovain’ny taranaka. Ho aiza ity firenena ity? Izany no nambarany dia nitondrany anatra ho an’ny mpitarika fikambanana skoto, “Ianareo ny fitaovan’ny Fian­gonana hanaparitaka ny fampianarana. Tandremo anefa fa ny andraikitra ho an’ izay mpitarika dia tsy tokony ho sakana amin’ izay filazana fampianarana ny marina. Tsy tokony ho olona hieboebo. Mila olona mahay mihantra namana, ary tsy maintsy mahavaha ny olana sendrain’ny fiarahamonina fa aza tia deraderaina fotsiny fa hoe mpitarika”, hoy ihany izy.

Sajo

Partager sur: