Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampanahy ireo manodidina. Namoy ny ainy ary ahina novonoina ity niharan-doza ity. Manahy mafy ireo mpiara-monina aminy amin’ ny mety ho fisiana mpangala-boamaso sy lela. Nidina ifotony nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Tsy fantatra mazava, araka izany, ny antony niteraka ny fahafatesan’io raim-pianakaviana io. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.