Tanjombato : vehivavy naka karama voaendaka

Ranomaso sisa! Io no
azon’ny renim-pianakaviana iray natao, taorian’ny fanendahana nataon’ny jiolahy azy teny akaikin’ny banky iray eny Tanjombato, omaly atoandro. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra moto niaraka tamin’ny antsy lavalela ity renim-pianakaviana ity rehefa avy naka vola, karama, tao amina banky iray eo Tanjombato. Mpampianatra amina sekolim-panjakana eny amin’iny distrikan’Antsimondrano iny no asan’ity renim-pianakaviana ity. Araka ny fanazavany, naka vola tamin’ny alalan’ny seky tao amin’ny banky izy, tamin’io fotoana io. Efa tsikariny ny fihetsiky ny lehilahy iray somary hafahafa izay mody nilahatra teo amin’ireo olona haka vola eo amin’ny Gab. Nony nivoaka avy naka ny vola anefa izy no mody niala koa ity lehilahy ity ka nanaraka avy aoriana. Teo am-pivoahana ny vavahady no nobahanan’ny jiolahy iray efa niandry teo ambony moto izy.

Voambana antsy teo amin’ny kibony…
Noteneniny mora mba hamoaka ny vola tany anaty poketra ity renim-pianakaviana ity sady norahonany mba tsy hiantso vonjy. Nisy antsy efa nitohoka rahateo teo akaikin’ny kibony. Nanatona avy aoriana koa ilay jiolahy iray mody nilahatra teo amin’ireo mpaka vola amin’ny Gab. Hataraina ny an’ilay renim-pianakaviana nandritra izany ka nanome mora ny vola rehetra tany anaty poketra. Lasa nirifatra nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahazo ny vola. Tsy nahateny kosa ilay niharam-boina fa nigogogogo nitomany. Teo vao samy nikoropaka ny teo amin’ny manodidina nandre izany. Ireo olona niantra azy no nanome saran-dalana nandehanany namonjy fodiana. Fotoana efa fandraisan’ny mpiasa karama izao. Misy amin’ireo jiolahy no mody mihaodihaody eny amin’ ny manodidina ireny banky ireny mijerijery ireo olona haka vola. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana satria ny ankamaroan’ny orinasa efa mifampiraharaha amin’ny banky ka tsy maintsy eny no alaina ny ka­rama.

J.C

Partager sur: