Fifidianana filoham-pirenena amerikanina : nisy ny fampahafantarana ny fizotrany

Tontosa omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Etazonia Andra­nomena, ny velakevitra fampahafantarana ny mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina. An-jotra no nanaovana izany ary i Amy Greene, manam-pahaizana ma­nokana momba ny politika amerikanina, no nitondra ny fahaiza-manaony nandritra izany. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana be­bekokoa ny mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena any Amerika. Anisan’izany ny fizotrany sy ny mampiavaka azy.
Any Etazonia, anisan’ny mampiavaka ny fifidianana filoham-pirenena ny “College Electoral”. Ity farany no manapaka ny vokatry ny fifidianana fa tsy latsa-bato mivantana, izany hoe, ny fanjakana kely tsirairay dia manana mpifidy lehibe voafaritra sy mifandanja amin’ny isan’ny solontenany ao amin’ny Kongresy, ka mitotaly 538 ireo mpifidy lehibe manerana an’io firenena io. Mandatsa-bato ho an’ireo mpi­fidy lehibe ireo ny Ameri­ka­nina rehefa mifidy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny kandidà mahazo ny vato be indrindra amin’ny fanjakana iray no mahazo ny vatom-pifidianana rehetra ao amin’io fanjakana io. Mila fara fahakeliny vatom-pifidianana 270 amin’ny 538 ny kandidà iray mba hahalany azy ho filoham-pirenena. Ny Kongresy no ma­napaka ny voka-pifidianana raha tsy misy kandidà ma­hatratra io maro anisa io.
Ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina izay hotan­terahina ny 5 novambra 2024. Fifidianana izay ifaninanan’i Donald Trump, avy amin’ny Repoblikanina, sy i Kamala Harris, avy amin’ny De­mokraty.

Lin

Partager sur: