Lonilonin’ny samy zandary: mpiana-draharaha nitifitra kapiteny

Maty notifirin’ny zandary mpiana-draharaha iray ny kapiteny lehibeny, omaly maraina. Voalaza fa lonilony nihotrika no antony. Nitifi-tena izy taorian’izay.

Nirefotra ny basy tao amina efitrano iray ao amin’ny Centre spécial d’aguerrissement opérationnel (CSAO) Beroroha, omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn ma­raina. Zandary mpiana-draharaha iray (GST) no nitifitra ka nahafaty manamboninahitra kapiteny iray, kaomandin’ity ivontoeram-panofanana ity. Araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray marim-pototra, efa ela no nanana disadisa sy lonilony tamina manamboninahitra kapiteny iray anisan’ ireo mpampiofana ireo zandary ao amin’io CSAO io ity zandary GST iray ity. Misy dimy lahy izy ireo no voalaza fa tsy mifankahazo amin’io manambonina­hitra iray io. Eo ambany fifehezany anefa io zandary nahavanon-doza io. Nentin-katezerana avy any amin’ny efitranony ity GST ity, tamin’io fotoana io, ka niditra tao amin’ny efitran’ ireo namany. Nalainy ny basy Kalachnikov an’ny namany ka nofahanany avy hatrany. Ni­ditra tao amin’ny efitranon’ilay manamboninahitra izy. Tifitra variraraka no nataony tamin’ ilay lehibeny. Vokany, rotiky ny bala ny vatany. Anisan’izany ny teo amin’ny tendany, ny lamosiny, hatrany amin’ny feny. Maty tsy tra-drano izy.
Potika ny tarehiny…

Nitifi-tena koa izy taorian’ izay. Natohony teo amin’ny saokany ny vava-basy ka ni­voaka teo amin’ny orony ny bala. Potika mihitsy ny vavany. Nentina namonjy hopitaly hain­gana izy taorian’izay, kanjo namoy ny ainy koa noho ny ratra mafy nahazo azy, rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona rahateo ireo namany tao amin’io ivontoe­rana io raha tsy ny poa-basy efa nirefotra tao an-tranon’ilay manamboninahitra. Miala eo amin’ny 4 km an’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, ity CSAO ity. Nivoaka avy ao amin’ ny andiany faha-77, tao amin’ ny sekoly fanofanana ho zandary (EGNA) ao Ambositra, io GST nanao fihetsika tsy mifanaraka amin’ny soatoavina ara-miaramila io. Tsy maintsy miditra manaraka fiofanana any amin’ny CSAO ireo zandary nivoaka avy ao amin’ny EGNA. Marihina fa notoka­nana ny 19 oktobra 2020 izy io ka ny Prai­minisitra Ntsay Christian no nitarika izany tamin’io fotoana io. Mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: