Analakely: nororitin’ny mpanao sinto-mahery ny finday

Nikiakiaka sy niantso vonjy sisa hany herin’ilay vehivavy niharan’ny sinto-mahery teo amin’ny arabe mifanila amin’ ny Pavillon Analakely, omaly hariva tamin’ny 6 ora. Na­moaka telefaonina, niresaka tamin’ny olona tamin’ny ala­lan’ny antso ny tovovavy iray. Ahina ho efa nanara-maso ny fihetsiny anefa ny mpanen­daka izay nivezivezy teny an-toerana. Nandrasan’ity farany kendry tohiny, nororitiny ny finday teny am-pelatanan’ilay vehivavy izay mbola variana miresaka. Nirifatra nitsofoka tany anatin’ny olona io mpangalatra io. Tsy nisy azo natao, nitazam-potsiny ireo mpandalo noho ny tahotry ny havalin’ ireo mpanendaka. Ankoatra io, vehivavy iray hafa koa lasibatry ny sinto-mahery teny Ambodin’Isotry, io omaly io ihany. Hiditra ny taxi-be, nororitin’ny olon-dratsy ny poketra an’ny vehivavy iray. Raha tsiahivina, nitrangana fanenda­hana nataon’ny jiolahy nitondra sabatra teny Tanjombato, afakomaly. Mpampianatra avy naka ny karamany teo amin’ ny banky io ramatoa lasibatra io.

Tsiferana R.

Partager sur: