Haintrano tao Mahajanga : nohararaotin’ny olon-dratsy nalaina ny entana

Nitrangana haintrano mahatsiravina tao Mahajanga, omaly tolakandro. Trano lehibe iray no nidonan-tsekotra ka hitan’ny fokonolona monina eo amin’ny manodidina. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Niezaka namoaka ireo zava-tsarobidy tao anaty trano avy hatrany ny tompon-trano sy ireo lasibatra. Navoaka teny ivelany avokoa ny entana. Nisisika niditra tao anatin’ny trano ny olona sasany niezaka naka izay tandrify azy. Tsy nisy hita anefa ny entana izay nalain’ireto farany. Nanararaotra ny fahavoazan’ny tompon-trano. Niantso ny mpamonjy voina ny olona tsara sitrapo. Tetsy ankilany, niezaka nifehy ny afo ka nifanome tanana ireo mponina. Nanao sarotra ny fifehezana ny firehetana noho ny fiparitahan’ny afo tamin’ireo efitra hafa anatin’io trano lasibatra io. Tsy nisy ny aina nafoy. Potika tanteraka ilay trano niharan’ny firehetana.

Tsiferana R.

Partager sur: