Ravalitera Jacques Michaël : “Ny mpitsikera ihany no mandika lalàna”

“Ny manahirana: ny mpitsikera ihany no mandika lalàna. Rehefa izy na izy ireo ve no mandika lalàna dia mety?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, momba ny hoe efa misy manao fampielezan-kevitra sahady amin’izao mialoha ny vanim-potoan’ny tena fampielezan-kevitra, izay amin’ny 19 novambra, izao. Anjaran’ny kandidà tsirairay ny mahatsapa izay fetra ny amin’izany. Na izany aza, tsy hoe miala andraikitra ny Ceni fa miezaka mampahafantatra. Mahatonga resabe ihany izany indraindray. Satria, ny sasany milaza fa efa misy manao fampielezan-kevitra sahady. Samy manana ny fijeriny ny amin’izay… fampahafantarana kandidà sy ny laharany ary ny fandaharanasany no tokony hatao, fa tsy azo atao ny manentana hoe “Fidio aho”. Nisy hatrany ny fanaovana izany ankolaka, fa anjaran’ny kandidà ny mamantatra izay azo atao sy tsy azo atao. Samy nandika lalàna hatrany hatramin’izay, na iza na iza. Raha alana an-daharana avokoa izay mandika lalàna, tsy hisy kandidà eo.

R. Nd.

Partager sur: