Hentitra sy nahitsy ny taratasin’ny antoko Malagasy miara-miainga nalefa any amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Nambaran’izy ireo fa manana andraikitra goavana koa ireo mpiara-miombon’antoka manoloana ny raharaham-pirenena.
Anisan’ireo teboka efatra lehibe nofaritan’ny MMM amin’izany taratasy nalefa any amin’ny FMI izany ny tokony hampifantohana ny fandaniana ny volam-panjakana amin’ny lafiny sosialy. Anisan’ izany ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana. Eo koa ny momba ny jiro sy rano ary ny tokony hampitsaharana ireo tetikasa lehibe, tsy tokony ho laharam-pahamehana. Tafiditra ao anatin’izany ilay lalambe migodana, Antananarivo – Toamasina.
Etsy andaniny, nanaovan’ny MMM antso avo ireo eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola. “Mitaky ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra mba hampitsaharana ny kolikoly avo lenta ka manome vahana ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoan’ireo mpitondra”, hoy ny taratasin’ ny MMM hatrany.
Notakin’izy ireo koa ny fitantanana mangarahara ny raharaham-panjakana, indrindra ny momba ireo mpamatsy vola manokana. Anton’izany ny ho fisorohana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, araka ny taratasin’ity antoko tarihin’Andrianainarivelo Hajo ity hatrany.
Fanatsarana ny fitantanana
Ankoatra izany, nasongadin’izany taratasy izany koa ny fitakian’ny MMM ny hanatsarana ny fitantanana mba ho fanomezan-kasina ireo andrimpanjakana sy ho fanajana ny lalàna mifehy azy ireo, sady hoentina miady amin’ny kolikoly.
Tsiahivina fa nataon’ny MMM izao taratasy izao, taorian’ny fahavitan’ny iraky ny FMI, nandalo teto amintsika, ka niresahina ny momba ireo famatsiam-bola ataon’izy ireo. Anisan’izany ny momba ny Fec sy ny FRD.
Synèse R.