Tanterahina anio, any Bujumbura Burundi, ny fihaonana antampony faha-23 ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta an’ny firenena mivondrona ao amin’ny Comesa. Firenena miisa 21, mpikambana eo anivon’ny Comesa, no haitrika izany fivoriana izany. Anisan’ny mandray anjara amin’izany I Madagasikara, amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. «Handeha hanafaingana ny vondron-tendrom-paritra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny rojom-pihariana eo amin’ny sehatry ny fambolena mahatohitra ireo ambana, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany », izay no lohahevitry ny fihaonambe. Tanjonany hanamafisana ny toekarenan’ireo firenena mpikambana sy hampiroboroboana ny varotra ary ny famoronana.
Maneho ny fahombiazan’I Madagasikara eo anivon’ny fifandraisana iraisam-pirenena izao fandraisan’anjara amin’ny fihaonana antampony izao. Porofo ihany koa fa mandray anjara betsaka amin’ny hetsika rehetra hampandrosoana ny firenena sy ny faritra Comesa I Madagasikara. Mikendry indrindra izay hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenena mpikambana, mifantoka amin’ny fampivoarana ny vokatra sy izay iraisana aty amin’ny faritra, eo amin’ny lafiny toekarena. Fanararaotra ihany koa ho an’ny sehatra tsy miankina, ny mpanao politika, ary ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, mba hahafahan’izy ireo mikaroka vahaolana mivaingana sy maharitra, ho fampandrosoana ireo ao anatin’ny habaky ny Comesa ny fihaonana.
Lin