Mankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny sampandraharaha miahy sy miaro ny tondradrano amin’ny lemaka Antananarivo (Apipa), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Homarihina amin’ny hetsika maromaro izany.
Anisan’ny hampiavaka ny fankalazana ny fampiasana sary famantarana manokana ka ho hita amin’izany ny isa 30. Nosafidiana nohaingoina tamin’ny alalan’ ny tsipika telo izany mba hoentina hivoizana sy natao hampivohitra ireo tsangambato telo lehibe apetraky ny Apipa ho amin’izany fankalazana izany. “Asongadina voalohany amin’izany ny maha olona”, hoy ny tomponandraikitra. Midika fa singa voalohany nanatanterahina ny asa rehetra efa vita sy ireo hoavy mbola hotanterahina ny maha olona. Homarihina amin’ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpiasa, nahavita be teo anivon’ny Apipa, izany.
Natao hanamarihina ny tantara kosa ny tsipika faharoa amin’ny sary famantarana haranty ao anatin’ny telo andro, amin’ny volana marsa 2025. “Ahafahana manome lanja ireo asa rehetra vita hatramin’izay izany”, hoy ihany ny eo anivon’ny Apipa. Manamarika ny tsangambato ho lovain-jafy kosa ny tsipika fahatelo ka hitokanana ny foibe ho amin’ny fiarovana ny lemak’Antananarivo, hiadiana amin’ny tondradrano « Centre opérationnel de protection de la plaine d’Antananarivo contre les inondations ».
Fivoarana sy fitomboan’ny asa sahanina
Etsy andaniny, hita ao anatin’ity sary famantarana ny faha-30 taona ity ihany koa ny fanovana ny sary famantaran’ ny Apipa. Tsikaritra fa misy ireo andraikitra sahanin’izy ireo, tsy voasongadin’ny sary famantarana taloha intsony noho ny fivoarana sy fitomboan’ny andraikiny tao anatin’ny 30 taona, araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra. “Hararaotina amin’izao fankalazana ny faha-30 taona izao ny fanovana izany sary famantarana izany”, hoy izy ireo. Hampiasaina mandritra ny taom-pankalazana ny sary famantarana ny faha-30 taona. Hanomboka hampiasaina ny 1 novambra izao kosa ny sary famantarana vaovao.
Synèse R.