Napetraka sy nampahafantarina ny alakamisy teo ny foiben-toeran’ny kandidàn’ny Tim, (QG) Ravalomanana Tojo. Nambarany tamin’izany fa natao hifanatonan’ny ekipa izany toerana izany ka ahavitana asa miaraka am-pifaliana. « Ny tsy vita aza lasa vita rehefa tafaraka. Tsy misy disadisa izany intsony fa isika izao no eto », hoy izy. Nanteriny fa natao hifaneraserana sy hamahana ny olana samihafa izany ary hifampitana vaovao anaty fotoana fohy. Anisan’izany ny fandraisana sy ny famoahana ny voka-pifidianana.
Niantsoany ny rehetra fa ilaina ny fiarahana ho amin’ny fanarenana an’Antananarivo ary tsy sakana na ivelan’ny antoko aza. ‘Tsy hifanilika isika fa hamonjy ny mpiara-belona ary ilana ny fanovana miainga ao anatin’ny tsirairay izany », hoy ihany izy.
Natsidiny fa hiasa mafy ao anatin’ny 40 andro ireo mpanohana amin’ny handraisana an-tanana ny hoavin’Antananarivo. Nanteriny ny tokony hanentanana ny rehetra hifidy mba tsy handresen’ny be tsy miteny tahaka ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana farany teo. Tsy tokony hanaiky hoviraviraina vola koa anefa, araka ny nambarany. Nisaorany manokana ireo depiote enina eny anivon’ny boriborintany eto an-dRenivohitra.
Etsy andaniny, nambaran’ ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny fifandraisana amin’i Kaomoro, fa tokony hotandrovina tsara ny resaka diplaomatika. « Fantatry ny sehatra iraisam-pirenena ny momba io volamena naondrana antsokosoko io », hoy izy.
Synèse R.