Nambaran’ny depiote Raholdina Naivo fa tsy ny fitondram-panjakana no hanapaka jiro sy rano na koa hampijaly vahoaka. “Resaka fifandaminana sy resaka teknika no mahatonga ny olana. Efa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana”, hoy izy raha nizara vatsy tsinjo sy vary tsinjo, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly.
Nanao antso avo ho an’ny vehivavy ny Ceni, nilaza fa manan-danja ny safidin’izy ireo. “Tsy misy antony ara-kolontsaina, na koa ara-piarahamonina, na ara-politika sy sosialy afaka manakana ny latsabaton’ny vehivavy”, hoy izy ireo. Nanterin’ny antso fa manan-jo hifidy ny vehivavy malagasy tsy ankanavaka.
Nahazo eveka vaovao ny any amin’ny diosezin’i Farafangana. Notendren’ny papa Fransoa ny herinandro teo hisahana izany andraikitra izany ny Mgr Randriamamonjy Marcellin. Nisolo ny toeran’ny Mgr Gaetano Di Piereo, nametra-pialana noho ny fisotroan-dronono. Niandraikitra ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana izy, nialoha izao fanendrena izao.
Tonga nanotrona ny kandidà ben’ny Tanàna Firaisankina ao Antsirabe, Mr Ravaka, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny sabotsy teo. Nanotrona azy ireo koa ny depiote any an-toerana, i Michel Havakoaby. Maro ireo vahoaka nanao diabe teny an-dalana na tsy nisy fampahafantarana mialoha aza.