Nifarana ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina kitra anaty efi-trano Futsal. Nanjaka tanteraka ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, na ny Uscafoot. Norombahan’izy ireo ny amboara sy ny lelavola 1 500 000 Ariary teo amin’ny sokajy U15 sy ny 2 tapitrisa Ariary ho an’ny zokiny, “vétérans”. Ny Uscafoot U15 nandavo ny Pro Kids, tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 3, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalana. Lavon’ ireo zoky tao amin’ny ekipan’ny Kaominina tamin’ny isa 4 no ho 3, ny Top Dom. Tsiahivina fa tany amin’ny fanalavam-potoana vao resin’ ny Uscafoot ny Top Dom. Ankoatra izay, nahavory olona maro ity fifanintsanana nasionaly ity, ary nahavariana ny teknisianina maro teny an-toerana ny fahaizan’ny mpilalao. Mbola ao anatin’ny heriny tsara ihany koa ireo mpilalao fahiny nandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, toan-dry Bota, mpiandry harato, i Mamisoa, vodilaharana sady kapitenin’ny Barea fahiny, sy i Angelo, mpilalao anisan’ny nandarafitra ny ekipam-pirenena teo aloha ihany koa. Samy nanome ny fahaizany tao amin’ny Five FC super vétéran moa izy telo mirahalahy ireto nandritra ity fifanintsanana ity ary nahazo ny medaly volamena tamin’izany ny ekipan’izy ireo. “Azo lazaina fa tratra ihany ny tanjona ho an’ny federasiona. Hiezaka ny hanao tsara mihoatra no ho ity andiany voalohany ity izahay amin’ny taona ho avy, ary ezahina ny hisian’ireo avy amin’ny faritra mandray anjara”, hoy ny filoha lefitra voalohany ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Jean Theophan Pontiac. Tsara marihina fa lasan’ny Etoile Filante ny amboara teo amin’ny sokajy zandriny U13, rehefa nomontsaniny 4 no ho 1, ny Five Fc Academy.
Fitia Randria