Rakotoamboa Jean-Louis: “Tsy hahavita inona ny mpanohitra”

Nitondra ny heviny manoloana izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna izao ny eo anivon’ny antoko Teza. Manahy izy ireo fa ho sarotra ho an’ny mpanohitra ny fitantanana eto an-dRenivohitra na ho voafidy aza.

“Mety ho voafidy ny mpa­nohitra, fa tsy hahavita na inona na inona”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, tamin’ny faran’ny herinandro teo, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antana­narivo Renivohitra. Lasa haingon-tsehatra fotsiny ny tena fa hoe misy demokrasia eto. Ny rafitra voageja. Izay no olana. Raha tena sahy ny mpanohitra mitarika ny vahoaka sy manamboatra sy sain’ny vahoaka hoe gejain’ny fitondrana amin’ny lafiny rehetra ny firenena dia izay. Raha zavatra hafa ankoatra an’izay hoe hanao ben’ny Tanàna toy ny teo aloha, vao mainka ratsy fa voageja ny ra­fitra. Atosiky ny vahiny ny mpa­nohitra sasany hirotsaka na hatao haingon-tsehatra amin’ ny fifidianana. Ireny no vokany: tsy misy afa-tsy 30 ny depiote azo. Tsy misy inona azon’izy ireo atao afa-tsy ny minanaka dia midongy tsy mety hifidy. Izay ve no nifidianan’ny va­hoaka azy? Raha amboarina ny fitsipi-dalao momba ny An­tenimierampirenena, von­drona parlemantera iray dia efa afa-mitaky ny fanadiha­diana parlemantera an’ireny volamena 36 Kg very ireny, ohatra. Amin’izay, manana ny lanjany ny mpanohitra.

Ny vadin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Lalao

Efa nisy mpanohitra niro­tsa-kofidina ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, teto: ny vadin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nahavita inona? Satria voa­geja ny rafitra. Ny vola fanampiana tokony ho an’ny kaominina hanadiovana ny tanàna, sns, ohatra, sakanan’ny fitondrana foibe. Tsy avelany hi­fam­piraharaha amin’ny any ive­lany ny tena. Ny tena indray no lasa halam-bahoaka fa tsy mahafaka fako, tsy mahafaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana, tsy mahafaka ny olan’ny fa­ma­tsian-jiro sy rano…

R. Nd.

Partager sur: