Naiditra am-ponja: tratra i Degany, nitifitra ny vadin’i Benjakely

Saron’ny polisy i Degany sy ny namany izay tsy iza fa ireo jiolahy nanafika ny vadin’i Benjakely, mpanao Cash point, teny Manjaka Ilafy. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany, ny vola 20 tapitrisa Ar mahery…

Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy teo rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana Cash point teny Manjaka Ilafy, ny 30 aogositra 2024 teo. Voatifitra tao anatin’io fanafihana io ny vadin’i Benjakely, mpilalao sarimihetsika malagasy. Amin’ireto olona voasambotra ireto, nisy amin’izy ireo no nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana sy niray tsikombakomba. Very nandritra io fanafihana io ny vola 20 tapitrisa Ar mahery, niaraka tamin’ny finday efatra. Tsy vitan’izay fa mbola notifirin’ireo olon-dratsy koa ilay renim-pianakaviana. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisin’ny Sut Tsaralalana, hita ilay ramatoa nampiasa ilay finday very tamin’io fanafihana io. Nomarihin’ny polisy fa vadin’ilay jiolahy mpanao fanafihana ihany io nampiasa ilay finday io. Vao nivoaka ny fonjan’Antanimora vao haingana io jiolahy io. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny polisy. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Degany. Tao anatin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa mbola misy jiolahy hafa niaraka tamin’izy ireo nanao io fanafihana io.

J.C

Partager sur: