Mpanao Cash point voatafika : mpianadahy niara-voatsatoka antsy

Vehivavy mpanao Cash point naratra mafy voatsatoka antsy, omaly, tao Mangarivotra. Nikasa ny hanavotra azy ny anadahiny saingy nanamparan’ireo jiolahy ny habibiany ihany koa.

Naratra mafy ny renim-pianakaviana iray, mpa­nao Cash point, omaly. Lasibatry ny asan-jiolahy tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, izy tokony ho 6 ora sy sasany. Hamonjy fodiana sy niantsena toy ny mahazatra izy no narahin’ny lehilahy roa. Nosa­kanan’ireo olon-dratsy izy, roa metatra tsy hiditra ny vavahadiny. Voalazan’ny fampitam-baovao fa tsy nanampo na inona na inona ity lasibatra ity. Noteren’ireo olon-dratsy mba hanome vola izy. Nambanana antsy sy norahonana. Tsy nanaiky mora anefa izy, nanda, niaro ny valin-kasasarany nandritra ny tontolo andro. Vokany, nampiharan’ireto jiolahy ny heriny. No­trobarana ny antsy avy ao an-damosiny izy. Naratra ka voatery nentina namonjy hopitaly tsy miankina ao Toamasina.

Miady amin’ny fahafatesana
Anisan’ny lasibatry ny jiolahy ihany koa ny anadahin’ity renim-pianakaviana ity. Nivo­aka ny trano, hanavotra ity farany izy, raha nahare ny antso vonjy sy ny horakoraka. Indrisy anefa! Noleran’ireo jiolahy ny antsy ihany koa izy. Voa mafy teo amin’ny tratrany. Nanaovan’ireo roa lahy angaredona izy. Tratry ny be no ho vitsy ka izao naratra mafy izao. Atahorana ny ainy, raha ny vaovao farany voaray tamin’ny fotoana nanoratana. Tsy ahina kosa ny an’ilay anabaviny lasibatra voalohany.
Manolona ity tranga ity, mimenomenona ny mponina ao Mangarivotra Atsimo sy Avaratra noho ny tsy fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitandro filaminana. Voalazan’ ny loharanom-baovao, avy any na-toerana, fa misy mpitandro filaminana misava taratasina fiara sy moto mandalo eo akaikin’ny toerana nisehoan’ny fanendahana. Voala­za fa tsy nahataitra azy ireo ny antso vonjy. Niandry ny fokonolona nisahotaka sy nampiaka-peo nanome tsiny izy ireo vao nihetsika.
Tsiahivina fa vao ny 29 oktobra teo no nisy renim-pianakaviana iray hafa, matin’ny jiolahy tsy tra-drano tao Toamasina. Tsy milamina ny tanàna!

Sajo sy Tsiferana R.

Partager sur: