Nitrangana asan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao an-tanànan’Ambodivato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny 3 novambra 2024. Teny am-piraofana ahitra teny an-tanimbary, tao andrefan’ny tanànan’Ambodivato, no nalain’ireto dahalo ireto ny omby miisa 54 an’ny raim-pianakaviana iray ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola naka an-keriny ankizilahy 10 taona ihany koa ireo malaso nandritra ity fanafihana ity. Nizotra nianatsimo andrefana ny lalan’ireo mpanafika taorian’izay. Nampandre haingana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Beravina ny lehiben’ny Dina ka anisan’ny nanamora ny fanarahan-dia ireo dahalo. Raikitra ny fanarahan-dia notarihin’ny CB-n’i Beravina niaraka tamin’ny mpiray Dina ao an-toerana. Tonga tao amin’ny kizo fieren’ireo dahalo ao Andolosilamo. Nisy ny fifandonana teo amin’ireo mpanara-dia sy ireo dahalo tao amin’io kizo io. Vokany, dahalo efatra naratra voatifitra saingy nentin’ireo namany nitsoaka any anaty ala manga. Navelan’ireo mpanafika kosa ny omby niaraka tamin’ilay ankizy nalaina an-keriny. Nentin’ny zandary ka naiditra ambalan-tsazy ao amin’ny kaominina Beravina ireo omby miandry ny tompony. Mitohy, araka izany, ny fikarohan’ny zandary ireo dahalo tafaporitsaka.
J.C