“Mangataka ny hiverenana amin’ny fanapahana noraisiny manoloana ireo namanay efatra naato tamin’ny asany sy notapahina karama. Misy ny paikady izay tsy voahaja tao anatin’izany fanapahana izany”. Io ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) novakin’ny filohany, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, omaly. Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana, noho ny fanapahana noraisin’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny 28 oktobra lasa teo izany.
Mitodika amin’ny filohan’ ny Repoblika sady filohan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM) koa ry zareo: jerena manokana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Raha ny vina mila tratrarina sy tanterahina ho fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana eto Madagasikara, mifanipaka amin’ny fanapahan’ny minisitra. Vao mainka hampihemotra indray ireo ezaka lehibe natao izany, indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ny SMM dia tsy sakana amin’izay fanovana rehetra hanatsarana ny fitsarana, ho tombontsoan’ny vahoaka tsy ankanavaka. Aoka mba ny ara-dalàna sy manaja ny paikadin-dalàna ny fanapahana raisina, na ny samy ao anatiny aza.
Noho izany, nametraka fitoriana izy ireo. Olona toy ny olon-tsotra rehetra ihany ny mpitsara manan-jo hanao ny fangatahana fanafoanana sy fampiatoana ny fanapahana ara-panjakana noraisin’ny minisitra. Ho firaisankina sy ho fiaraha-mizaka ny zavatra miantraika amin’ireo naman-dry zareo, hanatanteraka fanamarinana firaisankina sy fiatoana kely handinihina izy ireo eo amin’ny lapan’ny fitsarana an-tampony, Anosy, anio.
Vonona hatrany amin’ny fifampiresahana sy izay zavatra entina hanatsarana ny fitsarana eto Madagasikara ny SMM.
R. Nd.