Rahampitso no hivalona tanteraka ny taona. Samy efa nahavita ny jery todika sy ny tomban’ezaka avokoa angamba! Mety efa vita hatramin’ny drafitrasa amin’ny taona ho avy aza. Mba nanao ahoana tokoa re izay ny an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo? Niaraha-mahalala ny fahasahiranana isan-karazany, indrindra ny olana sosialy sy toekarena. Mahakivikivy ihany ny zava-nisy raha mijery fotsiny ny niseho tanatin’ny volana desambra ity isika. Kanefa izay kosa ve no hanariana toky sy hamonoana ny fanantenana. Hitsidika ny taona vaovao, iriana ho fanantenana vaovao no hoentin-ny rehetra mitsena ny taona 2023.
Mialoha ny fety, izay efa manomboka mafanafana eny an-tanana. Tsy sasatra ny mampatsiahy amin’ny fitandremana maro tokony ho raisina. Izay tsara fiomanana rahateo tsy ho somparan’ny tampoka. Anatin’ny vanim-potoana maharitra ny any am-paosy ny ankamaroan’ny olona. Mila fepetra sy fahamalinana manokana ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano. Fadiana ny mampideradera vola sy ny fampirantirantiana poketra rehefa eny an-dalambe rehetra eny. Torak’izany, tsy maintsy hajanona ny “werawera” eny anivon’ny fiarahamonina. Mila fanetre-tena sy fahaiza-miaina manokana mba tsy hiteraka faka-panahy sy fikasan-dratsy noho ny fialonana sy fitsiriritana. Marina fa mandala ny fahalalana miaina isika saingy, tsy fitandremana kely monja dia mety hanimba zavatra maro.
Tsy hadino ny manantitrantitra ny amin’ny fifamoivoizana na an-tongotra na amin’ny fitaovam-pitaterana toy ny bisikileta, moto, ny fiara. Mila fitandremana ny fivezivezena an-tanan-dehibe sy ny eny amin’ny lalam-pirenena. Iaraha-mahalala ny loza miseho lany etsy sy eroa. Ry mpampiasa fiara, aza adino ny manamarina ny pitsopitsony teknika sy ny mekanika rehetra mialoha ny hivoahana ny trano. Ny mpandeha an-tongotra, aoka re izay ilay fanaovana danin’ny kibo. Misy ny sokajin’olona tsy te ahalala ny lalàna mifehy io fifamoivoizana io, kanefa dia samy aina izao no harovana. Marina fa misy ny tomponandraikitra mandrindra eny rehetra eny saingy miainga avy amin’ny tsirairay kosa ny fiarovana antsika, ny ankohonantsika, ny mpiara-belona amintsika.
Farany, tsy fety ny fety raha tsy sakafo sy fisotroana. Mitobaka eny an-tsena ny sakafo vita vazaha sy ny zava-pisotro misy alikaola vita eto an-toerana. Iry voalohany, mila fahamailoana ny daty sy ny fetrandro azo ihinanana azy. Ity faharoa kosa, tsy misy antoka ny maha ara-pahasalamana azy. Malaza ny “hydromel” eny ambany tanana, moramora vidy ny toaka gasy laroana sakamalaho eny anelakelan-trano rehetra eny, mitobaka ny divay sandoka vita amin’ny rano laroina amin’ny akora simika. Hafa ihany ilay haronjoronjon’ny toaka, misavoamboana toa sambatsambatra kanefa tandremo zalahy ny fahasalamana! Tsy ho araky ny tomponandraikitra daholo ny fanaraha-maso izany rehetra izany. Ny isam-batan’ olona no mpiahy voalohany ny tenany. Tsy sanatria fety sy fahafinaretana no hivadika ranomaso sy fahasahiranana. Mahaiza mifety amim-pahamendrehana e!
r.r