“Mbola hamafisinay fa misy amin’izao ny manao sabotazy. Iniana atao izany mba hanosoram-potaka ny fitondram-panjakana. Ampiasain’ny sasany ny olana amin’ny delestazy hanakorontanana. Ampiasaina ho fitaovana politika izany amin’izao”. Io ny fijerin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, teny Anosy, omaly, ny amin’ny mbola fisian’ny deletazy eto Antananarivo taorian’ny fidinan’ny filohan’ny Repoblika ifotony teny Ambohimanambola. Ireo mpilalao politika sy mahita tombontsoa amin’ny fahasahiranam-bahoaka no mampiasa olona ao amin’ny rafitry ny Jirama, ohatra, na rafitra hafa. Misy olona karazana mpikarama an’ady manao izay tsy hampahomby sy tsy hahatanteraka ireo toromariky ny filohan’ny Repoblika.
Aleo soloina olona vonona ireo tomponandraikitra tsy mahavita ny asany. Tsy ny olona no tsy mahay, fa ny finiavana hanao no tsy ao. Tsy hoe henamaso na fahafantarana olona iray no hanaovana sorona ny fiainam-bahoaka. Aleo ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny Jirama hanao fitsirihana isaky ny sampandraharaha sy ny fitaleavana: iza marina no manao ankasomparana? Aminy, tsy hitany intsony izay zavatra mihoatra ny toromarika sy vahaolana nentin’ny filohan’ny Repoblika.
Mitodika amin’ny mpanjifa izy : aoka tsy ho tafiditra ao anatin’ny vela-pandrik’ireo mampiasa ny fahasahiranam-bahoaka hanakorontanana sy hanonganam-panjakana. Tsy misy iraharahin’izy ireo ny fahasahiranana sy ny fijaliam-bahoaka. Ny mifanohitra amin’izay aza ny tadiavin-dry zareo: mety aminy ny hampitarazoka sy hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka. Ny fahatezeram-bahoaka no ampiasainy hanaovany ny teti-dratsiny.
R. Nd.