Tratran’ny zandary tao amina raim-pianakaviana iray tao Andapanomby kaominina ambanivohitr’Ampanihy distrikan’i Mahabo, ny 6 novambra 2024 teo ny basy Kalachnikov iray. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, basy nampiasain’ireo dahalo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao amin’ny Faritra Menabe ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity basy ity tao amin’io raim-pianakaviana io. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary mpampandry tany tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo ka voamarina tokoa ny fisian’io basy Kalach io. Hita tao an-tranon’ilay raim-pianakaviana voarohirohy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny zandary no nahitana fa tena mbola miasa tsara tokoa ity fitaovam-piadiana ity ary vao avy nampiasaina tamina raharaha fanafihana. Nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ny biraon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Menabe ity lehilahy ity niaraka tamin’io basy io. Nandritra ny famotoran’ny zandary no nilazany fa nampiasain’ireo malaso nandritra ny fifandonana tamin’ ny zandary tao Angebogebona kaominina ambanivohitr’i Mandabe, ny 28 oktobra 2024 teo io basy io. Lavo tao anatin’ io fifampitifirana io ny zandary manamboninahitra iray raha naratra mafy kosa ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra.
J.C