Hanaovana taratasy firotsahan-kofidiana: Ben’ny Tanàna tratra nangala-tsoniana

Tonga nametraka taratasy fitoriana tao amin’ny tobim-pa­ritra Marerano ny sefo fokontany ao Marerano, ny faran’ny vo­lana oktobra 2024 teo ma­nenjika ben’ny Tanàna Marerano. Voalaza ao anatin’ny fitoriana fa nisandoka ny asan’ ny sefo fokontany ilay olom-boafidy ka nangalatra ny soniany sy ny fitombokasen’ny fo­kon­tany izay nanamboarana taratasy fanamarinam-ponenana hosoka. Taratasy entina hi­karakarana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben’ ny Tanàna Marerano. Nan­dray fepetra avy hatrany ny kaomandin’ny tobim-paritra Marerano ka niantso ny filohan’ny CED mba hanamarinana izany. Vokany, nandefa io fanamarinam-ponenana io ny filohan’ny CED, nanamarinana ny fisian’ ny hosoka sy ny halatra sonia. Niroso tamin’ny fanamarinana ilay taratasy fanamarinam-ponenana, hita fa feno hosoka tokoa satria halatra ilay sonia. Tsy mitovy rahateo ilay anarana voasoratra ao amin’io taratasy io. Manoloana ity raharaha ity sady efa akaiky rahateo ny fotoam-pifidianana, misy ny fepetra noraisin’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana mba hisorohana korontana sy disadisa.

J.C

Partager sur: