Fiaraha-miasa amin’i Chine : hatsangana ny tohodrano hamokatra herinaratra 64 MW any Ranomafana

Hanampy ny vokatra angovo azo havaozina ny tohodrano hatsangana any Ranomafana Fianarantsoa iarahana amin’i Chine. Hisy koa ny toby hamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro.

Manohana ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina ny fanjakana sinoa. Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean Baptiste, sy ny masoivohon’i Chine eto amintsika, Ji Ping, omaly. Anisan’ny nisongadina, ny hananganana toby famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano, hanana tanjaka 64 MW any Ra­nomafana Fianarantsoa. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa Tana Medium Ring (TMR), hananganana toby madinika miisa 8, ahitana andrin-jiro lehibe (pylône) mitondra ny taribin-jiro mitondra ny herinaratra mahery vaika 90 Kilo Volt. Hisy koa ny fananganana tohodrano hafa, mamokatra herinaratra. Ankoatra izany, hanohana amin’ny fa­nanganana tobi-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ihany koa i Sina. Tsiahivina fa tanjona ny hampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030.

Fiarabe 33
Raha hiverenana ny olan’ny delestazy, nampitomboana ny fiarabe mpitatitra solika menaka mavesatra (HFO) mamatsy ny milina eny Am­bohimanambola. Miisa 18 ny kamiao niainga avy any Toa­masina ary tonga eny Ambo­himanambola, ny talata 5 novambra teo. Miisa 15 hafa koa no efa tonga eny an-toerana, omaly alarobia 6 novambra. Izany hoe, nahatratra 33 ny isan’ny fiarabe tonga eto Antananarivo, fa misy hafa koa ny efa nidina sy tonga any Toamasina, satria tsy maintsy mitohy tsy tapaka ny famatsiana solika ny milina. Mandray anjara amin’ny fisavana ny lalana ny hanamora ny fivezivezen’ny fiarabe any an-dalana ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa mbola misy ny fikarakarana sy fanarahana ny fenitra teknika mandritra ny 24 ora ny solika, mba tsy hampidi-doza, vao azo ampiasaina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: