Tanterahina eto Antananarivo mandritra ny telo andro, ny 6 ka hatramin’ny 8 novambra ny «Forum International des investisseurs à Madagascar et en Afrique» (Fidima) andiany fahenina. Lohahevitra amin’ity taona ity ny fanafainganana ny rohivoaharan’ny teknolojia eto Madagasikara, izay hifanakalozan’ireo matihanina samihafa mandritra ny hetsika. «Tanjona ny hampifandray ireo mpandraharaha eto Madagasikara sy any Afrika amin’ireo mpampiasa vola», hoy ny filoha mpanorina (CEO) ny «Fidima», i Saholy Malet, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny Antaninarenina.
Ankoatra izay, misy ny karazana fiofanana omena ireo tanora, toy ny fanaovana «application mobile» amin’ny alalan’ny «mobile banking». Toy ny tamin’ny taon-dasa, hanamarika ny hetsika amin’
ity taona ity ny handraisana ireo kandidà hiofanana mahakasika ny No-Code mba hanomezana azy ireo ny torohay ara-kalitao sy paikady mahomby amin’ny famoronana sy fanokafana ny «Web app» sy ny tranonkala natokana ho an’ireo mpanjifa eoropeanina.
Ankilany, hihaona mandritra ny roa andro (7 sy 8 novambra) ireo mpampiasa vola sy ireo mpandraharaha vonona hampiroborobo ny fandraharahana ataony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hanamarika ny “Fidima” andiany fahenina ny fifanakalozana, ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha ary ny fandraisana ireo kandidà liana amin’ny sehatry ny teknolojia (recrutement IT).
Henintsoa Hani