Voka-pifidianana any Etazonia : Tsy hanova ny fifandraisana diplaomatika

Voafidy ho filoha faha-47 an’i Etazonia ny kandida repoblikanina, Donald Trump. Tsy ampiova ny fifandraisana misy amin’i Madagasikara sy Eta­zonia izany. “Azo atokisana fa tsy hisy ny fiovana eo amin’ny fifandraisan’ny tany roa tonta”, hoy ny ambasadaoron’i Eta­zonia eto Madagasikara, Claire Annette Pierangelo, teny Ivandry, omaly. Nisy ny fanazavana ny fizotran’ny fifidianana filohan’i Etazonia nataony. Mivoatra hatrany ny fifandraisana. Samy miombon-kevitra amin’ny politikam-pifandraisana amin’i Madaga­sikara na ny demokraty na ny repoblikanina. ”Tsy rafitra politika ihany ny demokrasia, fa fampiainana ny soatoavina ijoroana ary finiavana hiantoka ny fihainoana ny feon’ny tsirairay. Omen-danja ny tsirairay ary manana ny heviny ny vatony”, hoy hatrany izy.
Misy dingana vitsivitsy eo anelanelan’izay fe-potoana hivoahan’ny valim-pifidianana izay sy ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’i Etazonia amin’ny 20 janoary 2025.

R. Nd.

Partager sur: