Fivoriana mikato-trano eny Ambatoroka: hampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ireo eveka

Hitohy amin’ny herinandro ambony io ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), eny Ambatoroka. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ka hampitan’izy ireo hafatra ho an’ny vahoaka malagasy sy ny kristianina.

Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fihaonan’ireo eveka ireo. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny fiatahana Masina “Recollection”, afakomaly. Hitohy amin’ny fifidianana ireo hitantana ireo vaomiera samihafa eo anivon’ny fiangonana izany. Anisan’izany ny vaomieran’ny fanabeazana, ny misahana ny fahasalamana. Tahaka izany koa ny vaomieran’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona…
Hampita hafatra ho an’ny rehetra izy
ireo amin’ny fiafaran’izao fivoriana izao. Andrasana ny fahitan’ny Fem izao tranga eto amin’ny firenena izao. Ny resaka politika, ny sosialim-bahoaka. Eo koa ny tontolo iainana sy ny fanabeazana. Ny lafiny fahasalamana…
Tsiahivina fa anisan’ny niompanan’ny hafatry ny eveka ny volana mey teo ny fitomboan’isan’ ireo miondana vola sy harena tsy fanta-piaviana. “Mitombo miha maro anisa koa ireo milentika hatrany ao ana­tin’ny fahantrana lalina. Mirimorimo ny fidangan’ny vidim-piainana”, hoy ny hafatra tamin’izany. Nohitsin’ny hafatra koa fa mbola maro ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana ; mihapotika hatrany ary tsy misy fanamboarana ireo lalam-pirenena maro.

Olan’ny jiro sy ny rano, kolikoly…
Mitohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, na ny fitrandrahana izany na ny fanondranana. Tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fifampihainoana. “Vao mainka mampihitsoka ny olan’ny Jirama ny fampanantenan’ny mpitondra manoloana ny fitarainan’ny vahoaka”, hoy ihany ireo eveka tamin’izany. Notsindrin’izy ireo fa anisan’ny antony mampahantra ny kolikoly. Mihamahazo vahana hatrany izany, manomboka any amin’ny ambaratongam-pitondrana akaiky ny vahoaka indrindra ka hatrany ambony, araka ny hafatra. Tafiditra amin’izany ny seha-piainana rehetra ary gejainy mafy, eny fa na ao amin’ny fiangonana aza. Najoro daholo ireo rafitra miady amin’ny kolikoly. “Natao ho an’iza izany? Toa tsy misy vita raha tsy mandalo kolikoly na tsolotra. Takona tanteraka ny lalàna eo anatrehany”, hoy ny eveka.

Synèse R.

Partager sur: