Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko politika, Madagasikara endrika vaovao (Maeva). Nambaran’ny filoha mpanorina, Raharimanana Mamy, fa manana foto-kevitra telo ny antokony. “Ilaina ny fijerena ny maha olona sy ny manodidina azy ary koa ny lafiny lalàna”, hoy izy. Nanteriny fa naharesy lahatra ireo mpikambana manerana ny Nosy, nanomboka tamin’ny nijoroany ny taona 2017 izany. Tsy hisy fampandrosoana vanona eto raha jerena aloha ny lafiny maha olona, araka ny nambarany. “Aza mihevitra ny hampandroso firenena raha tsy voavaha aloha io olana amin’ny maha olona io. Anisan’izany izao olan’ny jiro sy ny rano izao”, hoy izy. Tsy afa-bela ao anatin’izany koa ny fihariana sy ny toekarena ary koa ny sosialy fa voasaringotra amin’io olan’ny jiro sy rano io. Sahirana ireo mpihary madinika sy salantsalany ary ireo mpiasa tena. Niantsoany sy nanentanany ny mpitondra izany mba hijery vahaolana maharitra. Notsiahiviny fa betsaka ny fampanantenana tamin’ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra voalohany sy tamin’ny faharoa. Tokony hanaovana tombana izany ny amin’ny vita sy ny tsy tanteraka tamin’ireo nampanantenaina. Manoloana izany, nambarany fa tsy maintsy mijoro ny antoko Maeva manoloana izao raharaham-pirenena izao. “Tena tsy mety intsony ny fomba fitantanana ny firenena. Na izany aza, mino izahay fa hijery vahaolana manoloana izao tranga izao ireo mpitondra. Mbola ampahany ihany amin’ireo tsy fetezan’ny fitantanana ny firenena ireo”, hoy ihany izy.
Synèse R.