Jly Ravalomanana Richard: «Aoka tsy hifampiaroaro fahatany»

Naneho ny heviny manoloana ireo mpitsara efatra ahina ho tsy nanara-dalana ka noesorina ny filohan’ny An­tenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nampahery ny minisitry ny Fitsarana ny tenany. “Tsy azo ekena ny fifampiarovana befahatany na koa fampifangaroana foko sy fiaviana sy fivavahana na koa asa… Tsy hitondra antsika any amin’ny fahamarinana izany”, hoy izy tetsy Ankorondrano, omaly. Nenta­niny ho tonga saina ireo mpi­tsara mba tsy hiray hina amin’ny mpandika lalàna, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa miisa 175 ireo zandary nigadra rehefa nihoa-pefy fony izy sekreteram-panjakana niahy ny zandary. Mahay lalàna sy manana basy izy ireo saingy tsy azo ekena kosa rehefa mandika lalàna, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa nanatrika ny fampahafantarana ny Tet­i­kasa ankizy krismasy (Tak) ny tenany ka nilazany fa tafiditra amin’ny fitoriana ny Vao­vao mahafaly izany sady fa­nampiana ny sahirana. Na­namafy izany ny filoha mitarika ny Tak, ny pasitera Ran­driamanjara Philibert. Nan­kasitrahany ny fitondran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamorana ny fampidirana ireo entana, amin’ny kaontenera 55, natao ho an’ny ankizy, 420 000. “Maimaimpoana izany ary hanehoana ny fi­tiavan’Andriamanitra. Hahazo izany koa ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: