Antaniavo-Antohomadinika : roa lahy mpamono olona nogadraina eny Antanimora

Notanana vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny fanafihana miharo vono olona, omaly. Nasesin’izy roa lahy nanaovana ny asa ratsiny ireo tanàna manodidina.

Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjan’An­tani­mora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa malaza ratsy amin’ny fanafihana arahina vonoan’olona. Voasam­botry ny polisy miasa ao amin’ ny poste de police Avancé (PPA) Antaniavo, ny 2 sy 4 novambra 2024 teo, ireto jiolahy roa ireto. Marobe ny fitairanana voarain’ny polisy momba ny trangana tsy fandriampahalemana miseholany manodidina an’Ankorondrano hatrany Antohomadinika sy An­draharo. Anisan’izany ny vaky trano, hala-boty ary fanendahana. Nanamafy ny asa fisafoana amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ireo ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo.

Jiolahy mpamerin-keloka
Nahitam-bokany izany satria jiolahy iray no tratran’ny polisy teo anoloan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Anto­homadinika niaraka tamin’ny sabatra lavalela teny aminy. Noraisim-potsiny teo Anto­homadinika koa ny jiolahy iray faharoa, ny 4 novambra 2024. Nampitondra faisana ireo mponina amin’ireo faritra ireo ity jiolahy ity, araka ny fanamarihana nampitain’ny polisy. Mbola nahitana antsy koa teny aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana. Nambaran’izy ireo fa tsy vao izao ry zalahy no nanao ity asa ratsy ity fa efa hatramin’ny ela saingy izao kosa vao tratra. Jiolahy efa mpamerin-keloka ireto nifanehatra tamin’ny polisy ireto.

J.C

Partager sur: