Nasosan’ny moto tampoka. Nikarapoka tamin’ny arabe ny raim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny lalan’i By-pass, omaly tamin’
ny 11 ora. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona namoy ny ainy. Nitondra moto, avy any amin’ny tobin-dasantsy izy. Nikasa hihazo ny lalan’ny Domaine. Nandalo tsy lavitra teo, nianjera tampoka io lehilahy io. Nasosan’ny moto nentiny izy, araka ny filazan’ny nanatri-maso. “Folo metatra niala ny toerana nianjerany vao tafanjanona io niharan-doza io sy ny moto nentiny”, hoy ny fanazavan’ny polisy avy eo anivon’ny kaomiasaria ao an-toerana. Niatonta tamin’ny arabe avy hatrany anefa io raim-pianakaviana io. Voa mafy ny lohany. Nandriaka ny ra. Maty teo no ho eo izy.
Hafainganam-pandeha
Araka ny fanazavan’ny nanatri-maso, nandeha mafy io raim-pianakaviana io. Nanamafy rahateo ny mpitandro filaminana misahana ny famotorana fa tsy nisy fiara nandona na nanakantsakana ity tra-doza ity. Monina eny Anosibe ity farany. Zanany miisa roa no tonga teny an-toerana naka ny nofo mangatsiakan’io lehilahy io. Marihina, miseholany ny lozam-pifamoivoizana izay matetika vokatry ny tsy fitandremana tato ho ato. Ankoatra ny moto, lasibatra ihany koa ny fiarakodia.
Tsiferana R.