Notontosaina omaly, ny fametrahana galona ireo jeneraly miisa 30 lahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika.
Notontosaina omaly, teny amin’ny tobin’ny rezimanta voalohany mpilatsaka an’elonaina, ny fametrahana galona ireo jeneraly vaovao, nahazo izany ny taona 2023. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, filoha faratampon’ny Foloalindahy. Miisa 30 ireo niakatra laharam-boninahitra. “Mijoroa ho modely fakan-tahaka amin’ny fomba fiasa sy amin’ny fitondran-tena mba ho mendrika ianareo. Fadio ny kolikoly, manaova ny marina”, hoy ny hafatry ny filoha, tamin’ny lahateny nataony. ”Mitaky tamberin’andraikitra ny laharam-boninahitra isalorana. Mino sy matoky aho fa matihanina ary manana ny traikefa rehetra ianareo amin’ny fitarihana ny olom-pehezinareo tsirairay avy”, hoy izy. Ny faneva natolotra azy 30 mirahalahy ao anatin’ny Tafika an-tanety, an-dranomasina sy ana habakabaka ary ny Zandarimariam-pirenena dia manamafy ny fahefana sy andraikitra iantsorohan’izy ireo tsirairay avy.
Tetsy ankilan’izay, nanamafy ny minisitry ny Foloalindahy, Sahivelo Monja Delphin, fa mbola vonona ny hiaro ny fiandrianam-pirenena izy ireo. Vonona ny hanatontosa izay voalazan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana na PGE. “Efa an-dalana ny fametrahana ny Force essentielle minimale izahay, ankehitriny. Misaotra ny filohan’ny Repoblika amin’ny fampitaovana”, hoy izy izay anisan’ny nahazo galona vaovao.
Niantso ny vahoaka malagasy mba hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana koa ny minisitra. Nambarany fa adidin’ny olom-pirenena rehetra izany.
Tsiahivina fa anisan’ny nahazo kintana fanampiny koa ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Rakotondrazaka Andry.
R. Nd. sy Lin