Randriamasinoro Ny Rina : “Tsy mitaky fiara 4 x 4 ny depiote mpanohitra”

Mbola resabe eny Tsim­bazaza ny mahakasika ny fitakiana na tsia ny fiara tsy mataho-dalàna ho an’ny depiote. Milaza tsy miady izany ny depiote mpanohitra, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim sady depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Antanana­rivo IV, Randriamasinoro Ny Rina. “Raha ho anay eo anivon’ny fanoherana, tsy mitaky fiara 4 x 4 izany. Hataoanay inona moa izany amin’izao zavatra iainana izao? Raha ny tianay: avereno ny solika mba hahazoanay miasa. Mba ha­ha­zoanay manao izay zavatra tokony hataonay izany” , hoy izy teny Tsimbazaza, ny fa­ran’ny herinandro teo.
Ankoatra izay, nilaza izy fa tsy misy depiote mitaky fiara 4 x 4. Mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy. Nambarany fa indray mandeha ihany ry zareo no nahazo solika, mitovy amin’ ny zo noraisin’ny de­piote teo aloha. Taorian’izay, notapahina ny solika. Nilaza­na izy ireo fa tsy maintsy omena fiara 4 x 4. Araka ny fanazavany, ny solika no hakana handoavana ny vi­din’ny fiara 4 x 4 mandritra ny dimy taona. ”Tsy misy teny ierana izany. Tsy misy fangatahana natao. Izay fotsiny ny fa­napahana hoe: notapahina ny solika mba hahazoana manefa ny vidin’ny fiara 4 x 4. Raha misy fiara 4 x 4 ho avy eo, tsy natolotry ny fanjakana na inona fa volan’ny depiote amin’ny alalan’ny vidin-tsolika. Betsaka no tsy mankasitraka. Fa tonga amin’ny hoe tian-kano tsy tian-kano”, hoy hatrany izy.

R. Nd.

Partager sur: