TARATRY ny KANTO

“ATF”, hira vaovaon’i Nate Tex sy i Bolo. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ity fampiaraham-peo, izay inoana fa hanamarika fiaraha-miasa vaovao ihany koa. “Atomboko amin’ny tenako ny fiovana” ny fanalavana azy, izay miresaka lohahevitra iray am-pon’i Nate Tex, ka nifampizarany tamin’i Bolo mba hamoaka hira tsotra fa misy lanjany. Efa be mpankafy sahady ny vokatra vaovao.
“Acustico” – Seho nampiainana ny mozika avy any Espagne. Nisokatra tamina kolontsaina hafa noho ny mahazatra azy ny AFT Andavamamba, ny sabotsy teo. Toraka izany koa ireo mpanakanto, izay namelona ireo mozika avy any Espagne. Nanomboka tany amin’ny mozika klasika izay nolalaovin’i Narimanana tamin’ny gitara, nandalo ireo hira malaza nataon’ireo mpitendry violon sy ny Choeur Miangaly.
Nampahafantarin’ny mpikarakara ny « Slam national 15 », ny faran’ny herinandro teo, ireo vahiny manokan’ity fifaninanana ity. Anisan’izany i Santa, tompondaka farany. Eo ihany koa i Lafleur Malade avy ao Maurice, i Bakar Nawiya avy ao Comores, i Rouda avy ao Frantsa sy i Rebbeca Heims avy any Allemagne ary i Marc Smith, izay kintan’ny “Slam”.
Tontosa antsakany sy andavany teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny faran’ny herinandro teo, ny fampirantiana “Tranon’ny velona”. Hetsika na­nasongadinana sy nanomezana sehatra ireo Malagasy mpahay taotrano. Ankoatra ny ranty natao, nisy ihany koa ny seho niarahana tamin’i Njara Marcel, i Feu Follet, i Santa ary ry Myh en Mbalait.

Partager sur: