Hivavaka ho an’ny kandidà sy ny fifidianana ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM. Hotanterahina rahampitso ny anjaran’Antananarivo Renivohitra.
Hisy ny hafatrafatry ny raiamandreny. Hanatanteraka fiombonam-bavaka ho an’ny firenena sy ny mpikirakira fifidianana eto Antananarivo Renivohitra ny eo anivon’ny FFKM. Hotanterahina eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izany rahampitso, alakamisy 14 novambra amin’ny 3 ora. “Hanasana ny vahoakan’Antananarivo sy ireo kandidà ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina mpiray lisitra aminy izany”, hoy ny fampitam-baovao eo anivon’ny FFKM, omaly.
Entanina hanatrika sy hiombom-bavaka ireo rehetra mpikarakara ny fifidianana, araka ny fampitam-baovao hatrany. Anisan’izany ny eo anivon’ny Ceni, ny HCC, ireo rantsam-pitsarana mahefa voakasik’izany. Ny avy amin’ny minisiteran’ny Atitany ary ny olom-pirenena rehetra. Hitarika ny fotoam-pivavahana ny filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM foibe.
Efa nialohavan’ny fitondrana am-bavaka indroa miantoana izany. Ny voalohany sy faharoa dia ho an’ireo kandidà eny amin’ny distrikan’Atsimondrano, ny herinandro teo. Hirosoana izao indray ny ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Anisan’ny nambaran’ireo mpitondra fiangonana ny handalana hatrany ny fahamarinana amin’izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izao.
Aorian’izany, hiatrika ny komity foibe faha-46 ny FFKM ny 3 hatramin’ny 5 desambra izao any Morondava. Mbola andrasana kosa anefa ny hafatry ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka, ny zoma izao ka hitondran’izy ireo ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena.
Synèse R.