Praiminisitra : namoaka ny fitaovam-pamokarana herinaratra

Manohy ny fanatanterahana ny toromariky ny filohan’ny Repoblika amin’ny tsy maintsy amahana ao anatin’ny fotoana fohy ny olan’ny jiro sy rano ny mpanatanteraka, araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Primatiora tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Nidina teto Toamasina, afakomaly, ny Praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ary ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Eo koa ireo rantsamangaikan’ireo minisitera voakasiky ny famahana ny olana amin’ny herinaratra.
Natao tao amin’ny efitrano fivorian’ny Société du Port à gestion autonome de Toa­masina (SPAT) ny fikaonandoha. Nojerena haingana ny vahaolana amoahana ao anatin’ny fotoana fohy ireo kaontenera mitondra ireo fitaovam-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro. Eo koa ny milina famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra. Izay no hiantoka ny famerenana amin’ny laoniny avy hatrany ny olan’ny herinaratra manerana an’i Madagasikara.
Ny fanatanterahana ny vinan’asan’ny fitondram-panjakana no lalan-tsaina mibaiko ny rehetra amin’izany. Lavina ny fampikatsoana ny fivoahan’ireo entana ireo hahazoana mizara azy aingana. Hisitraka izany Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina, Fia­na­rantsoa, Toliara ary An­tananarivo, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika. Nanome fe-potoana ny Praiminisitra ny amin’ny tsy maintsy hivoahan’ireo fitaovana rehetra ireo farafahelany anio 13 novambra.

R. Nd.

Partager sur: