Malaza ratsy amin’ny tranga tsy fandriampahalemana ny faritra 67 ha sy ny manodidina tato ho ato. Mpangalatra moto telo lahy sarona teny an-toerana notanana am-ponja, omaly.
Niakatra fitsarana, omaly, mpangalatra moto roa lahy niaraka notazomina vonjimaika eny Antanimora, taorian’ny fampanoavana. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria 67 ha fa nitrangana halatra moto tao amin’ny fokontany Imerinafovoany Talatamaty, ny zoma 8 novambra teo. Nanaovan’ireo olon-dratsy latsak’alina, lasan’ izy ireo ny moto Boxer 150 cc miloko manga tamin’io fotoana io. Nanao fikarohana avy hatrany izy ireo. Nahatsikaritra roa lahy nanosika moto ary naneho fihetsika nampiahiahy teny amin’ny faritra Ankasina, izy ireo ny marain’ny sabotsy 9 novambra tamin’ny 7 ora sy sasany. Natao fanadihadiana ireo roa lahy ka voamarina fa halatra ity moto natosik’izy ireo ity.
Mpandrava ny azo
Tambajotra matanjaka, nitoroka ny mpiara-miasa aminy ireo roa lahy nahatrarana ny moto halatra. Entina mihazo ny lehilahy iray izay tompon’antoka amin’ny fandravana ny moto avy nangalarina izy ireo. Mpikirakira ny entana halatra, araka izany, io fahatelo io. Nanao ny vela-pandrika ny polisy eo anivon’ ny CSP7 ka tra-tehaka koa ilay fahatelo. Niaiky heloka avokoa ireo olon-dratsy voasambotra ireo. Nentina natao famotorana ka natolotra ny fampanoavana. Niaraka notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Naverina amin’ny tompony kosa ny moto.
Tsiferana R.