Adiny efatra ny famonoana : trano an-jatony indray ravaravan’ny afo

Trano an-jatony indray ravan’ny afo tao an-tampon-tanànan’Ivandrika distrikan’i Farafangana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny firehetana tao an-tanàna. Voalaza fa niainga avy amina pitik’afo tao amina tokantrano iray no nahatonga ny loza. Nahandro sakafo ny renim-pianakaviana iray ka nisy pitik’afo, teo no niantomboka ny firehetana. Naharitra teo amin’ny ora efatra ny famonoana ny afo ka efa tamin’ny 2 ora tolakandro vao maty tanteraka izany. Nan­dray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ao an-toerana niroso tamin’ny famonoana ny afo niaraka tamin’ny fokonolona. Narodana mba tsy hitaran’ny afo ireo trano nirehitra. Trano vita amin’ny hazo sy falafa avokoa ny ankamaroan’ireo trano nirehitra. Izany rahateo no isan’ny nanamora ny firehetana. Levon’ny afo avokoa ny entana rehetra niraka tamin’ny vola, hatramin’ny akoho amam-borona. Potika hatrany amin’ny 98% ny tanàna ao amin’ny kaominina am­banivohitr’Ivandrika Farafan­gana, raha ny tatitra nampitain’ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Ny akanjo teny an-koditra sisa ny an’ireo niharam-boina. Samy nanao izay ho afany tamin’ny famoahana ireo entana azo navoaka ireo niharam-boina saingy mafy ny firehitry ny afo ka tsy nisy azo natao intsony. Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo koa ny governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana niaraka tamin’ny zandary sy ny fokonolona. Na teo aza anefa ity afobe tao Farafangana ity, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

J.C

Partager sur: