“Milles Espoirs Africains”. Izay no anaran’ilay fifaninanana literatiora amin’ny teny frantsay, natao hamohazana ireo talenta miafinafina na mbola matory any. Midika ny anarana fa fara fahakeliny misy mpanoratra arivo isa manerana an’i Afrika, mety voakasik’ity fifaninanana ity. Antenaina fa maro amin’ireo ny avy eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon’ny solontenan’ny Monlion Editions, izay mpikarakara ny fifaninanana, omaly, tetsy amin’ny Maison de l’Entrepreunariat Ambohijatovo.
Ny fanoratana mombamomba ny tena (autobiographie) no hifaninanan’ireo mpandray anjara. Hizara ho sokajy roa izany, ka ny voalohany ho an’ireo 18 hatramin’ny 29 taona ary ny faharoa ny 30 taona hatramin’ny 30 taona. Efa nanomboka ary ho tapitra ny faran’ny volana desambra ny fisoratana anarana. Afaka miditra ao amin’ny pejy facebook na linkedin an’ny Monlion Editions ireo liana amin’izany. Marihina fa nosafidiana ho mpiahy ny fifaninana i Arnlold Kalamb, nanoratra ilay boky “Les aventures de Victor”. Azoni’reo mpifaninana hiaingana amin’ny asa sorany io boky io. Hisy rahateo ny torolalana hozarain’ity mpanoratra ity ho an’ireo handray anjara.
Zo ny Aina