Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Tsivangiana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapoizinana ankizy 6 taona ity lehilahy ity ka antony nahatonga ireo fokonolona tao an-toerana nanao fitsaram-bahoaka. Nahazo antso avy amina olona iray ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana momba ny fisiana lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Tsivangiana ka voamarina tokoa ny fisian’ity lehilahy ity matin’ny fitsaram-bahoaka. Hita faty mivalampatra teo an-tanàna izy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera no nahitana fa maty vokatry ny daroka nataon’ny fokonolona izy. Ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa nanapoizina ankizy nipetraka tao an-tanànan’Antanandava ity lehilahy ity. Maty ny 11 novambra 2024 alina ilay niharam-boina. Nomeny sakafo misy poizina io ankizy io izay nitarika ny fahafatesany. Nanamarina izany rahateo ny vadin’io lehilahy io. Andrasana ao amin’ny Tranobe ao an-tanàna ny razan’ ilay ankizy niharam-boina raha efa nomena ny fianakaviany kosa ny fatin’ity lehilahy matin’ ny fitsaram-bahoaka ity. misokatra ny fanadihadiana ataon’ ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana.
J.C