Nanandranandran-doza, lehilahy 21 taona main’ny herinaratra ka namoy ny ainy tao Atsimontsena, kaominina Antsirabe Renivohitra, ny talata 12 novambra teo. Andalam-panamboarana ny trano iray tao amin’io fokontany io. Andian-tovolahy niakatra teny amboniny. Takatry ny tanana, araka izany, ny tariby mitondra herinaratra. Nanao kisarintsarina sangy hilalao ilay taribin-jiro tamin’ny namany anefa io tovolahy io. Raiki-tahotra ireo namany izay nilaza fa misy herinaratra matanjaka io tariby io. Poa toy izay, natsipin’ny herinaratra ilay tovolahy 21 taona. Maty tsy tra-drano.
Tsiferana R.